Aller au contenu

Ny fikambanana Liana Mada : « Araraoty ny talenta anananao ary miaraha mivoatra »

Ny fikambanana Liana Mada : « Araraoty ny talenta anananao ary miaraha mivoatra »

Ny Liana Mada dia fikambanana nasionaly miorina eto Madagasikara, tsy miankina amin’ny antoko politika, tsy manavaka ara-pinoana na ara-pirazanana, manaraka ny didy Hitsivolana laharana faha-60-133 tamin’ny 03 Oktobra 1960, tsy voafetra ny faharetany. Mikendry ny fanandratana ny maha-izy sy ny fampandrosoana iombonana amin’ny alalan’ny fanentanana sy fampiroboroboana ny talenta, ny kolontsaina, ary ny harena voajanahary.

I. Tanjona sy Kendrena

  1. Fanandratana ny maha-izy
    • Hamerina sy hamelona ny fahatokisan-tena sy ny fahavononana hanao soa iombonana  
    • Hanasongadina modely mahomby entina mandrisika ny mpikambana  hampivelatra ny talenta ananany hahafahany mizara sy mitondra fampivoarana iombonana
  1. Fiombonan’ny mpikambana
    • Hampiray hina ny mpikambana miainga avy amin’ny faritra misy azy, hahafahana mifanampy amin’ny fampandrosoana ny tsirairay sy ny fiaraha-monina misy azy.
  1. Fampiroboroboana ny harena momba ny fahaiza-manao, kolontsaina ary tontolo iainana
    • Hanofana sy hampianatra ny mpikambana sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanehoana, fanatsarana ary fiarovana ny hasin’ny tanana sy ny vakoka, fampisehoana zavakanto, ary ny fanajana sy fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba maharitra.  

 

II. Soatoavina Fototra

  1. Fiaraha-miombon’antoka sy fanohanana
    • Miaro sy mampiroborobo ny maha-olona amin’ny fanomezan-daja ny fanampiana ara-tsosialy, ara-panabeazana ary  indrindra ny asa fampivoarana iombonana.
  2. Fankasitrahana ny talenta
    • Manome vahana ny talenta sy ny fahaiza-manao rehetra, mihevitra fa loharano voalohany sy fototra iorenan’ny fampandrosoana izany
  3. Fanajana ny kolontsaina sy fiarovana ny natiora
    • Mampifandray ny fomba nentim-paharazana isa-paritra amin’ny paikady maharitra hanatsarana ny fiveloman’ny tsirairay sy ny mpiara-belona.
    • Manaja ny hasin’ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary miaro ny tontolo iainana sy ny harena voa-janahary.
  4. Mangarahara sy fitantanana ifampizaràna
    • Mampihatra fitsipika mazava sy mangarahara amin’ny fitantanana tetik’asa, vola, ary loharanon-karena, miaraka amin’ny fandraisana andraikitra iombonana.

III. Rafitra sy Fitantanana

  1. Rantsana Nasionaly
    • Foibe mitantana ny politika stratejika, fandrindrana ny programa nasionaly, ary fitarihana ireo rantsana faritra.
    • Mifehy ny politikan’ny fikambanana sy ny fampiharana ny sata fototra
  2. Rantsana Faritra
    • Manatanteraka hetsika fampandrosoana mivantana eny ifotony, miara-miasa amin’ny fiarahamonina ary mitantana sy mitondra ny hetsika fampandrosoana eo an-toerana.
  3. Fitarihana
    • Filoha Mpanampy isam-paritra: Mitantana ny rantsana faritra eo ambany toromarika avy amin’ny Filoha Nasionaly.
    • Voatanisa ao anaty “fitsipika anatiny” ireo toerana hiasan’ny fikambanana (zone d’intervention), mba hahazoana antoka ny fitoviana sy ny mangarahara

IV. Paikady 2025–2027: « Araraoty ny talenta anananao ary miaraha mivoatra »

  1. Fototry ny fampandrosoana iombonana
    • Mihevitra ny fikambanana fa ny talenta ho fepetra fototra hamoronana fiaraha-miasa mahomby sy fampandrosoana iombonana.
    • Ny fikambanana dia te hirona amin’ny filozofia miompana amin’ny maha-olona ka hanome vahana  ny adidin’ny tsirairay amin’ny tenany, amin’ny mpiara-monina ary amin’ny kanto, ny natiora ary  zavaboary.
  2. Fampivoarana ny maha-olona
    • Manaja ny talenta sy ny fahaiza-mamorona, mampifandray sy mampivelatra ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay hanatsarana ny tena, ny hafa ary ny tontolo.
  3. Fiarovana sy fampiroboroboana ny vakoka sy ny kolontsaina

·         Miasa amin’ny fitahirizana sy fampahafantarana ireo fomban-drazana sy kolontsaina tsy voasoratra fa hiainan’nny mpiara-belona, mampifandray izany amin’ny fampiroboroboana ny asa-tanana sy ny kanto.

 

Fehiny : Ny fikambanana Liana Mada dia mampifandray ny talenta, ny kolontsaina, ary ny natiora sy ny harena voajanahary ho fampandrosoana iombonana. Amin’ny alalan’ny soatoavina mazava, rafitra mangarahara, ary foto-kevitra miorina amin’ny olona, manome sehatra, fitaovana ary fitarihana ho an’ny mpikambana tsirairay mba hanandratra ny tanjony sy hanangana fiarahamonina matanjaka, maharitra ary mahaleo tena.